Ny foko adala hikalo ho an'ny mpandratra azy

35 5 1
                                    

« - Miangavy anao aho, avotsory ny tanako dia avelao aho handeha »

« - Raha tena tianao aho dia avelao handeha »

« - Tsy ianao ihany no nilaza fa katsahinao ny hasambatra ahy? Koa maninona aho no sakananao rehefa mandroso makany amin'ny hasambarako? »

« - Mandehana ianao dia aza mierika akory fa vonoy tanteraka ilay afo ao am-ponao ao. Tsy anjaranao ny hotolorako fitia »

Dia mbola mitamberina tsy mety afaka an-tsaiko ireo teny ireo. Teny nandratra ny foko indrindra saingy tsy mety voafafan'ny saiko mihitsy. Efa eto anilan'ny olon-tiako aho fa ny foko.. Olon-tiako tokoa ve moa? Tsy mahafehy ny fifandraisanay izany teny izany. Fijery ety ivelany dia marina ny hoe mpifankatia izahay saingy ny foko mbola miolankolana tsy mahay misafidy izay tena tiany. Mbola mimenomenona izy fa tokana no ilainy ary mbola maminy, ilay namotika azy ary tsy mamela raha tsy ho loa  tsy hisy intsony izy. Nefa koa milaza izy fa fy aminy ilay eo anilany izay miezaka ny manasitrana azy na tsy fantany ary ny tantarany. Izay tokoa ilay hoe mamy ny atsy, fy ny aroa.

- Ary toa lasa saina be indry? Hoy ny olon-tiako nandray ny tanako dia nitsiky kely ahy

Mifona aho malala a. Mifona aho fa tsy izaho no adala fa ny foko izay tsy mahalala izay hafaty azy akory. Ataoko ahoana tokoa moa no ibaiko azy? Tompony aho fa tsy manam-pahefana aminy akory. Maditra loatra ka...

- Mi a, fa manina loatra indry ty e? Hoy izy nitsangana dia nitingitingina teo alohako mba ahita ny endriko matroka tsy misy jerena intsony

- Tsy maninona aho ka. Fa andeha hody amin'izay fa efa hariva ny andro. Hoy aho mody nitsiky na tsy vokatry ny foko ary.

- Misy zavatra ma..., tsy afaka nanohy ny teniny akory izy dia nitsangana aho nanoroka kely azy ho fanaovam-beloma

- Veloma fa taraiky bus eto aho, hoy aho nikopaka kely azy rehefa lasa lavitra sady mody nanolotra tsiky azy

Efa maizina aho vao niditra ny trano. Nidobodoboka ny foko vao nahita an'i Neny niandry ahy tsara teo am-baravarana. Efa haiko tsianjery indray ny zavatra ho lazainy amiko.

- Taiza amin'ny andro hariva ity ramatoa kely? Tsy efa milaza aminao aho fa tsy mila anao miaraka amin'iny lehilahy iny intsony aho? Iny ihany no mapirisika anao anevateva anay ato an-trano ato

- Neny a, miangavy anao aho aza ampidirina amin'ny adintsika ato an-trano ny fiainam-pitiavako

- Fa niteny anao angaha izaho hoe mamalia ahy? Sa zazakely ohatranao aho? Dia efa miteny anao aho izay a.. Ary lasa ianao miakatra any fa tsy te ahita ny tavanao akory aho

Raha izaho tamin'ny dimy taona lasa, mety mbola nitomany teo indray aho. Saingy efa vita vaksiny ny foko ka tsy miraika amin'izay vava ratsin'i Neny izany intsony.
Neny, neny hoy ianao? Amiko olona niteraka ahy fa tsy nahitako fitiavana akory. Inona tokoa moa izany fitiavan-dreny izany? Tsy nahalala an'izany aho.

Nitsaitsaika moramora aho niakatra dia nidiako ny tranoko. Aiza tokoa moa izany no ahitako hasambarana?

Naneno ny findaiko. Vao hitako ilay anarana niseho dia notapahiko. Narary ahy ny aiko tamin'izany raha vao raisin'ny olon-tiako fahiny ny antsoko. Izao anefa dia averiko amin'ny hafa indray. Mora tokoa marina ny mandrotika ny fon'ny hafa e? Fa tsy tsapanao akory ny hararin'izany tsy rarahin'ny tiana izany.
Saingy nezahako nokosehana tao an-tsaiko izany fanamelohan-tena izany. Tsy diso aho raha toa ka tsy mahatsapa ny tsapany amiko. Sa ve fitiavan-tena ny ahy? Tsy haiko. Mampikorotan-tsaina koa ity resaka fitiavana ity. Asa inona koa no nimendimendeko nanaiky ny fitiavany?

« Fa nisy zavatra nataoko nahatezitra andry ve e? »

Indrisy ry malalako, tsy ianao mihitsy no diso ao anatin'izany tantara izany. Ianao ary no mijaly indrindra, ianao no lasa mibaby ny heloky ny hafa. Izaho no tokony hifona.

Saingy tao an-tsaiko ihany izany teny izany. Tsy navoakan'ny vavako akory na nosoratan'ny tanako mba aseho azy. Amin'ny fomba ahoana tokoa moa no ilazako azy fa mbola mitanila lavitra any amin'ny rafiny ny mizanam-pitiavako? Amin'ny fomba ahoana no ilazako azy fa ny foko mbola mitady ilay nanimba azy ihany?
Dia navelako tao ny hafany. Na ny antsony rehetra ary nodiako tsy hita avokoa.

« Bonne nuit ary ndry rehefa tsy iresaka e. Aza kizitina na miavona radem an. Bisous »

Halako ianao ry foko. Maninona no tsy izy no safidianao? Maninona no tsy mba saininao na kely akory ary ny fitarainan'ny fokeliny midradradradra fitavana toy izany fa ilay fo adala tsy mahalala afa tsy ny tenany ihany no ifikiranao?

Dia tanatin'ny adin'ny fo sy ny saina no nandaniako ny aliko. Nisaika tamin'ny rano mangatsiaka aho mba ialan'ny adin-tsaiko miala any saingy mbola niraikitra toy ny dita ihany izy. Leo aho. Leo ny fiainako

Fery tsy manolatraOù les histoires vivent. Découvrez maintenant