Iza tokoa moa no hamela ny fony ho viraviraina toy ny vori-damba? Ataoko angamba fa samy mba nitady ny tsara ho an'io taova io daholo isika. Iza kosa moa ny haniry an'io ho simba, izy izay miantoka ny aintsika? Dia hamaly tsy ampiambahambana aho hoe tsy misy. Saingy ny fo adala. Tsy hay ho bedesina fa manao izay tiany eny foana. Izany no nahatonga ny saina ho lasa fahavalony. Talentany tokoa ny mifikitra amin'ny mpanimba azy. Manimba fa maminy foana iny... Mahavatra ny mpandratra azy foana no itampikirana. Fa nahoana ary? Nahoana izy no tsy mierika akory amin'ny hafa izay efa vonona ny hitsabo azy? Nahoana no mifidy ny lalana izay efa fantany fa afobe ho azy izy? Saingy ny baikon'ny fo sarotra takarina ka tsy hita izay ho avaly izany fanontaniana izany. Dia ohatran'izay ny fiainako. Mbola FERY TSY MANOLATRA ny ratra navelany. Nefa ataoko ahoana tokoa moa ny handà raha misy vonona eo hanasitrana azy? Asaa, saingy toy ny voalazako dia adala ny fo tsy mahalala izay hafaty azy akory. Ka mbola baraingo amiko izay ho safidiny. Ny mpandratra sa ny mpitsabo? Mbola misy rahona manakona ny valin'izany fanontaniana izany. Inoako nefa fa ingahy be masoandro tsy maintsy hiposaka indray andro any androaka ireo manankona ny anjarako ireo. Mino aho, mino aho, mino aho...
3 parts