Chapitre I : la rencontre

60 1 1
                                    

                              

Tara ihany aho na dia niezaka nandeha  mafy aza , efa ao anaty trano fianarana avokoa ny mpianatra.
Tsy toy ny mahazatra nefa fa toa mangina tsy ahenona feo ao an-dakilasy. (Asa , efa misy mpampianatra angamba) . Matahotra aho ny handondona fa tsy maintsy miditra .
Nandona in telo aho , izay vao nisy nandre

_ je crois qu'il y a quelqu'un à la porte .....
        Entre!

Dia niditra aho, ramose hafa no hitako fa tsy ilay mpampianatra anay Mathématiques isanandro. Nahasarika ahy ny firafitrin'ny tarehiny , toa mbola tovolahy kely izy. Izaho moa efa natahotra bedy ka tsy nahateny na koa variana nijery ireo fandaingana roa teo amin'ny tavany ( ses fossettes lui vont très bien)

_alors jeune fille, veux tu te présenter et nous dire la raison de ton retard  😀

Qqq ny feony aza ohatra ny hoe mandona be izany , niezaka nandrafitra fehezateny ihany aho tao an-dohako, indrisy anefa....

_je m'appelle euh... très retard car je suis désolée 😐

Fa ny mpianatra nihomehy mafy ahy  no  henoko , menatra aho ka tsy nahajery akory an'ity ramose manolona ahy

_ quoi, tu stresses trop jeune fille, je ne vais pas te manger. Reprends ton souffle et représente -toi🙂

_ je suis Nofy Notefena , je suis très désolée pour mon retard car ma mère m'a demandé de l'aider

Vao nifanojo tamin'ny masony ny masoko dia toa nisosa hatramin'ny fehezateny tato an-dohako. ( Quelque chose m'attire beaucoup dans son regard. J'aimerais tant y plonger pour longtemps )

_ bah , moi je suis le nouveau prof de math Nofy , vas t'asseoir on va débuter notre cours 

Nisaotra azy aho dia namonjy toerako . Izy kosa namoka boky maromaro tao anatin'ny kitapony. Nojereko tsara ny fihetsik'izato ramose kely, tsikariko fa peratra ray eo amin'ny fanondrony no anaovany . Asa , mbola tsy manambady angamba izy . Tena variana nijery an'dRamose aho , ny feon'i  Flavio mibitsibitsika no namoka ahy tao anatin'ny eritreritro .

_fa tsy hamoka kahie ve e? Hoy izy sady nondominy tamin'ny tanany aho

_fa nakaiza hony rapilokely toa niova ny mpampianatra ? Sady namoka ireo kahieko aho

_zah koa aza mba gaga koa, fa efa anomboka izy io fa mangina amin'izay

Niezaka ihany aho ny hifantoka fa ohatra ny hoe teny an-drivotra daholo izay nivoka ny vavan'i ramose. Tena tsy nisy tsy nodinihako anefa ny fihetsiny. Izy rehefa manoratra, manazava arahany fihetsika amin'ny tanany , ny molony miaraka amin'ny fandaingana, ny fandehany ao anatin'ilay blousse fotsy ....
Dia tapitra ny adiny roa ianaranay math ka naneno mafy ery ilay sonorie . Sambany aho no niteny hoe toa fohy kely ilay ora 2. Nefa isakin'ny zoma otrin'izao dia miferinaina fa hoe ahita an dRapilokely.
Fotoana fakan-drivotra moa fa falifaly ny ankizy, zah kosa toa malaeloelo izany ....tsy aiko lotra hoe fa maninona ary 😔

_ andao amin'izay hivoka ry Nofy a ! Hoy Flavio

Nanaraka azy fotsiny aho mba haka rivotra , izay koa angamba no tsy ampy ahy .
Nanatena ihany aho  hoe mba ho hitako ety an-tokotany ety i Ramose kely nefa foana izany fanatenako izany. ( Efa nomeko surnom sahady  ilay mpampianatra)

_odray , fa ndry ohatran'ny reveuse be e👀 kompoze sa yaourt hoa nendry ?

Teo aho vao tonga saina hoe adinoko hatramin'ny naka gouté tamin'i neny . Na dia izany aza dia tsy mahatsiaro noana mihintsy aho. Ny hany masaka ao an-dohako dia ny hoe amin'ny talata indray izany vao nahita an dRamose kely...

Nofy Notefena Où les histoires vivent. Découvrez maintenant